Nilaza ny filoham-pirenena, ny asabotsy 28 janoary teo tany Ilaka Atsinanana, Vatomandry fa hifantohana ny sosialim-bahoaka, ka miato ny fanamboarana fotodrafitrasa amin’ity taona 2023 ity. Niteraka ahiahy ho an’ny mponina any an-toerana izany, toa an’i Zafy Georges, mpandraharaha sady mpamboly sy mpiompy. «Ahoana izany ny lalam-pirenena RN 11 (Vatomandry- Mahanoro), izay efa tena potika tanteraka ? Manamora ny sosialim-bahoaka anefa ny fahavitan’ny lalana, satria hivoaka ny vokatra, ho tonga ny famatsiana sy ny fanampiana, tsy ho sahirana ny tsy salama sy ny reny bevohoka», hoy izy.
Ankoatra ny fambolen-kazo, nisy koa ny lanonana ara-kolontsaina natao ny 21 hatramin’ny 29 janoary teo. Fankalazan’ireo ankizilahy, efa natao fahasoavana fito taona lasa, nantsoina hoe «Sambatra». Nilahatra an-dalambe izy ireo, ny alin’ny 27 janoary, nitondra saina fotsy, midika hoe fahadiovana, nampiarahana tamin’ny fitsofana zavamaneno.
Fandaniana maro
Araka ny loharanom-baovao avy amin’ny sampandraharaham-paritra maromaro, tsy nety nitonona anarana, maro ny fandaniam-bolan’izy ireo tamin’ity fambolen-kazo tany Ilaka Atsinanana ity. Nambaran’izy ireo fa, «tsy nisy ny tetibola manokana ho an’ity fambolen-kazo ity, ka voatery namorona ny tsy misy, nividianana solika nakany Ilaka Est. Teo koa ny nanaovana sora-baventy, ny sakafo sy ny trano fatoriana, ny fiantohana ny aina, sns. Vokany, voatery nangataka tamin’ny tera-tany vahiny sy karana».
Taorian’ny fambolen-kazo tany Ilaka Est, ny 28 janoary, nirehitra ny ala tany Brickaville, ny ampitso, ny 29 janoary teo.
Sajo