Voahosotra ho tompondaka eran-tany amin’ny taranja handball ny ekipan’i Danemark. Lavon’izy ireo tamin’
isa 34 no ho 29 ny Les Bleus an’i Frantsa. Lalao izay notanterahina tao amin’ny kianjan’ny Tele2 Arena Stockholm, ny alahady lasa teo.
Raha hiverenana ny lalaon’izy ireo, nanindry tanteraka ny ekipan’i Danemark. Porofon’izany, nitarika tamin’ny isa 6 no ho 2, i Danemark, teo amin’ny faha-5 minitra nanombohan’ny lalao. Niezaka ihany anefa ny Frantsay ka nisaraka tamin’ny isa tery 16-17 izy ireo teo amin’ny fizaram-potoana voalohany, nitarika hatrany ny Danoa.
Nitaky tamin’ireo mpilalao frantsay ny havizanana. Araka izany, mora tamin’ny Danoa ny nandavo azy ireo, tamin’ny isa 29 no ho 24.
Tsy afa-bela tamin’i Danemark indray izany ny Les Bleus Frantsa.
Fitia (Mpianatra asa)