“Sarotra ho an’ny holafitry ny vadintany sy ny mpanao lavanty raha iny taona 2022 iny satria sarotra ny fanatanterahana ny didim-pitsarana”, hoy ny filohan’ny holafitry ny vadintany sy ny mpanao lavanty, ny Me Rakotonirina Alain.
Nohamafisiny fa olana ara-drafitra no mila jerena satria raha ny zavatra tsikaritra, lasa mihaino ny feon’ny mpanao facebook na hetsika hafa ataon’ny olona izay matetika manakana ny fanatanterahan’ny vadintany ny didim-pitsarana ny fanjakana. “Ny asan’ny fitsarana mihitsy no voasembantsembana ka tokony hojeren’ny fanjakana akaiky izany”, raha ny fanazavan’ny filohan’ny holafitra hatrany. Manoloana izany, nanao antso avo amin’ny fanjakana ny biraon’ny holafitra mba hijery akaiky ny fanatanterahana didim-pitsarana. Firenena lavitry ny fandrosoana ny firenena tsy manaiky fanatanterahana didim-pitsarana, raha ny fanazavany. “Miezaka ho mendrika ny fanatanterahana didy ny holafitra”, hoy izy. Teny filamatry ny holafitra hatramin’izay ny hoe : “Vadintany sy mpanao lavanty miray hina, miaro ny vahoaka sy ny tombontsoan’ny holafitra”. Noho izany, mangataka izy ireo mba hojerena akaiky ny fiarovana ny mpiasam-panjakana amin’ny fanatanterahana ny asany. Nambaran’ny teo anivon’ny biraon’ny holafitra fa mahatsiaro tena ho sahirana izy ireo amin’ny fanatanterahana ny asam-panjakana. Tokony hapetraka hatrany ny fifampitokisana eo
amin’ny fanjakana sy ny holafitra. Nisy fanomezana telefaonina “flotte” ho an’ny holafitra mba hahafahan’izy ireo manatanteraka an-tsakany sy an-davany, hahatomombana hatrany, ny andraikitr’ireo mpikambana tsirairay eo anivon’ny holafitra. Singanina manokana ny fiatrehana ny fanatanterahana didim-pitsarana amin’ireo faritra misy vadintany manerana ny Nosy.
Jean Claude