Latsa-danja ny hetsika ho an’ny ankizy, indrindra ny lafiny koltoraly eto Madagasikara. Izany indrindra no hisian’izao hetsika izao hanatrarana ny vinan’ny IFM amin’ny fampiroboroboana ny kolontsaina.
Hotontosaina ny 25 febroary 2023 hatramin’ny 4 marsa 2023 ny “Zaza mifety”. Hetsika karakarain’ny Institut Français de Madagascar na IFM eny Analakely iarahany miasa amin’ny mpiara-miombona antoka aminy. “Raha hetsika ho an’ny tanora sy olon-dehibe no nahazo toerana tao amin’ny IFM. Somary hivelatra ho any amin’ny ankizy, hanome fahafaham-po azy ireo sy hamaly ny filàny ny IFM”, hoy ny tompon’andraikitra.
Tamin’ny lanonana “Taom- baovao” notanterahina ny asabotsy 28 janoary 2023, teny amin’ny IFM Analakely no nampahafantarana ny drafitrasa koltoralin’ity ivontoerana ity, mandritra ny taona 2023. Ankoatra ny hetsika vaovao, isan’ny nahitana fahombiazana tamin’ny taona lasa ny hetsika lehibe “Zaza mifety” ary mbola hotohizana amin’ity taona ity. Hetsika natao hanomezana fahafaham-po sy hamaliana ny filàn’ny ankizy eto Madagasikara, indrindra ny eto Antananarivo. “Somary mbola vitsy ny hetsika ara-koltoraly ho an’ny ankizy manokana, raha ny eto Madagasikara. Tsara kokoa anefa raha mbola ankizy izy dia mahalala ny kolontsainy sy ny an’ny vahiny. Ilainy ihany koa izany ho an’ny fanabeazana azy”, hoy i François Maugrenier, tale mpitantana ao amin’ny IFM. Fampisehoana, fandefasana horonantsary, fanentanana ary atrikasa no hameno ny herinandro hanatanterahana izany.
Ny taona 2022 no nanombohana nanaovana ity hetsika lehibe ity ho an’ny IFM. Nahaliana ny olona saingy teo amin’ny fikarakarana no nisy tsy fahalavorarina ho an’ny mpikarakara. “Miezaka foana ny IFM mampiroborobo ny kolontsaina na ny avy eto Madagasikara izany na ny avy any ivelany. Ary tafiditra ao anatin’ny fampiroboroboana ny kolontsaina izao hetsika izao”, hoy ny mpikarakara. Tafiditra ao anatin’izany fanatsarana izany ny fanaovana atrikasa sy ny fanentanana mandritra ny hetsika.
Lin (Mpianatra asa)