Migadona ity ny andro manatantara ho an’ny vahoaka malagasy tsy vakivolo. Hiakatra kianja anio alina ny ekipam-pirenena, taranja baolina kitra na ny Barea de Madagascar. Tafiditra amin’ny lalao manasa-dalana hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, natokana ho an’ny Ekipam-pirenena, sokajy faharoa na ireo mpilalao tsy mila ravinahitra any ivelany izany. Miandrandra fandresena, mino sy matoky ary manentana ny mpiray tanindrazana manerana ny vazantany efatra amin’ny hodian’ny amboara aty Madagasikara.
Onja miabo rahateo no mitondra onja miabo, antoky ny fahombiazana. Izay indrindra no hanaovana antso avo amin’ny tsirairay avy, hampirina ilay toetra ratsy maivamaivana mikiky any anatintsika rehetra any. Andro iray tsy maintsy hiraisan’ny malagasy saina, miombom-po amam-panahy aorian’ny Barea izao. Ambony dia ambony ny moralin’ny mpilalao sy ny ekipa iray manontolo. Ambony manaraka izay, rahateo ny herijika hahatafakatra antsika amin’ny dingana manaraka. Fahaiza-manao efa ao. Tanjaka samy manana raha mihoatra amin-dry zareo avy any Senegal. Ny finiavana sy ny fahavononana, azo antoka fa ambony lavitra noho ny azy ireo.
Na izany aza anefa, tsy azo atao ny misioka raha tsy tafavoaka ny ala. Izay rahateo ny maha lalao azy, ady hatramin’ny kiririoka farany. Tsy misy fandresena voasoritra mialoha, ny ezaka atao ihany no mamaritra izany. Mitaky fifantohan-tsaina avy amin’ny isam-batan’olona eny ambony kianja sy ny ekipa avy aty ambadika ny zava-drehetra. Izay indrindra no tokony hanohanantsika mpankafy mafy azy ireo amin’ny ady hatrehany. Na lavitry ny maso aza dia tokony ho akaikin’ny fontsika ry zalahy maherifon’ny firenena. Mitady ny fomba rehetra isika hanohanana ny Barea de Madagascar na dia tonom-bavaka fohy sy tsotra aza. Mila ny tsodrano avy amintsika ny ekipa. Aza hadino ny miara-mirona anio alina, mialoha sy mandritra ny lalao, ary indrindra rehefa ilay tafakatra lalao famaranana iny.
Alefa Barea ! isika malagasy miray fo amam-panahy amin’ny fanohanana na aiza na aiza misy antsika.
r.r