Jean Nirina Rafanomezantsoa: “Ny politika tsy teoria fa tsy maintsy misy hiankinany”

“Mankasitraka ny kaba­rin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina tany Vatomandry aho. Ny fanaovana politika dia tsy teoria fotsiny fa tsy ma­i­ntsy misy hiankinany amin’ny zava-misy ankehitriny. Lehibe ilay fanapahan-kevitra hitodika any amin’ny sosialim-bahoaka”, hoy ny filohan’ny Hafari Malagasy, Rafanomezantsoa Jean Niri­na, manoloana ny fahitany ny zava-misy eto amin’ny firenena amin’izao ankatoky ny famaranana ny asan’ny filoha Rajoelina izao. Nambarany fa firenena an-dalam-pandrosoana i Madagasikara, tsy azo alaina taratra velively ny firenena avy any ivelany. Ny sosialim-bahoaka dia ny sakafo, ny fampianarana, ny fandriampahalemana, ny fahasalamana ary ny fananana trano fonenana, eo koa ny lalana. Ny famoronana harena anatiny no tena zava-dehibe. Ny famoronana asa dia ny asa natoraly miainga amin’ny asa voajanahary. Ny fitrandrahana ny harena ambonin’ny tany dia ny fambolena, ny fiompiana, araka ny fanazavany ha­trany. Ilaina koa ny fampiofanana eny ifotony satria izany no tena ilain’ny firenena. Anisan’ny nampisongadina ny Filoha Rajoelina tamin’ny andron’ny tetezamita ka nitondra fandresena ho an’ny kandida notohanany dia ny nahalany ny Filoha Rajaonarima­m­pi­anina izay nifantoka tamin’ny fanaovana fotodrafitrasa fa tsy nanome lanja ny sosialim-bahoaka. Nampisonga­dina ny Filoha koa ny fiarahany niasa tamin’ny minisitry ny mponina teo aloha, Nadine Ramaroson, fony fahavelony, izay niaro ny vahoaka tamin’ny tany sy tamin’ny fivelo­many.
Nametrahana lanja ny fokonolona,tamin’izany, izay nifantoka tanteraka tamin’ny sosialim-bahoaka.

Jean Claude

Partager sur: