Kitra – «Chan 2022»: hanohana ny Barea avokoa ny rehetra, anio

Tantara iray lehibe eo amin’ny baolina kitra malagasy, anio, ny manasa-dalana hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ireo mpilalao tsy matihanina «Chan 2022». Hiady ny tapakila hiatrehana ny famaranana ny Barea sy i Senegal.

Voalohany eo amin’ny tantaran’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra ho an’ireo mpilalao tsy matihanina «Chan 2022», ny fi­haonan’ny Barea de Mada­gascar sy ny Lion de Teranga avy any Senegal. Hiady ny tapakila hiatrehana ny famaranana izy ireo, anio manomboka amin’ny 10 ora alina. Fihaonana hotanterahina ao amin’ny kianja Nelson Man­dela ao Baraki, renivohitr’i Algérie.
Raha tsiahivina, teo amin’ ny fifanintsanana ho an’ny Can hatrany ny roa tonta no nidona. Hafa mihitsy kosa ny zava-misy amin’ity satria adin’ireo mpilalao tsy misy kalaza. Vonona tanteraka ny Barea de Madagascar. Ambony ny toe-tsain-dry zalahy, hiatrika ity fihaonana manan-daza ity. Salama tsara avokoa ireo mpilalao ary mangataka ny fanohanana sy fitondrana am-bavaka amin’ny Malagasy, mandritra ny 90 mn.

Maka ny Barea ireo Afrikanina maro
Tsy ny Malagasy irery no maka ny Barea de Mada­gascar amin’ity lalao hatao anio talata ity fa ny ankamaroan’ireo afrikanina ihany koa. Anisan’izany ry zareo Ivoarianina sy ny Ganeanina, eny fa na ry zareo Alzerianina mpampiantrano aza mano­hana hatrany ny Barea. Efa namoaka ny fanohanany ny Barea ihany koa i Artur Silva, filohan’ny Cosafa, ivondronan’ireo firenena aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika. Be­tsaka ny mihevitra fa hoen­tin’ny Barea de Madagascar mody io amboaran’ny “Chan 2022” io amin’ity.
Raha hiverenana ny dian’ny ekipa roa tonta, mandra-pahatongany amin’izao dingana izao samy voalohany tao amin’ny vondrona nisy azy, nandritra ny fifanintsanana. Barea ho an’ny “C” ary i Senegal ho an’ny “B”.
Na izany aza, fandresena telo tamin’ireo lalao telo nataony ny an’ny Barea ka nahazoany isa 9 raha 6 kosa ny an’i Senegal izay resy indray mandeha. Ny Barea izany tsy mbola tojo faharesena, hatreto. Nahafaty baolina miisa 8 ary nidiram-baolina 2 ny Barea tamin’ireo lalao nataony. 5 kosa ny tafiditr’i Senegal ary tsy nidiram-baolina afa-tsy 1.

Hilalao any ivelany Rakoul
Fantatra, omaly, tao anaty tambajotran-tserasera, fa vita ny fanaovan-tsonia eo amin-dRakoul no Lomoinasy ilay klioba alzerianina Mouloudia Alger. Haharitra telo taona eo ny fifanarahana eo amin’ny roa tonta, izany hoe, hatra­min’ny taona 2026. Tsiahivina fa tao amin’ny CFFA Andoha­ranofotsy Rakoul no nilalao teo aloha teo.

Tompondaka

Partager sur: