Efa vita ny faran’ny herinandro teo, ny fivilian-dalana, nametrahana tetezana vonjimaika any amin’ny lalam-pirenena RN 6, eo amin’ny PK 217+100 any Ambalavola Ambalafaminty, eo anelanelan’i Port Bergé sy Antsohihy. Miverina amin’ny laoniny ny fifamoivoizana, satria efa azo ampiasaina ny fivilian-dalana, nametrahana tetezana vonjimaika hafa. Mitohy ny asa fanamboarana.
Efa manomboka koa ny asa vonjy taitra amin’ny lalam-pirenena faharoa RN 2. Natomboka eo Manjakandriana PK 40 mankany Toamasina. Nototofana ny lavaka miandron-drano, ary nanaovana aro riaka, mba hiarovana ny arabe. Hapetraka ny sosona ambany indrindra, rehefa maina ny andro, mialoha ny hametrahana ny godirao.
Mbola tapaka kosa ny RN 12A (Vangaindrano-Taolagnaro) PK 142 , eo amin’ny baka Befasy, sy ny PK 173 (baka Manambondro) ary ny PK 202 (baka Masianaka), noho ny fiakaran’ny rano, ka miato ny fiampitana.
Tsiahivina fa efa miverina amin’ny laoniny koa ny fifamoivoizana amin’ny RN 4, Antananarivo mankany Mahajanga.
Njaka A.