Lycée Fenoarivo Atsinanana: mpianatra telo vavy safotra tany an-dakilasy

Mahalasa saina hatrany ny trangana fahatoranana mpianatra an-tsekoly, mateti-piseho saika amin’ny toeram-pianarana maro eto amin’ny Nosy.

Ny herinandro lasa teo, mpianatra tao amin’ny Lycée Fenoarivo Atsi­nanana no safotra na koa nitrangana fahatoranana sy mihinjitrindritra nandritra ny fotoam-pianarana tao an-dakilasy. Tamin’ny 8 ora sy 50 minitra maraina no nihetsehan’ny aretina ho an’ny mpianatra voalohany izay tovovavy 18 taona, kilasy 2nde. Safotra tao am-pianarana ary navoaka ny efitrano nanaovana vonjy aina tao amin’ny efitranon’ny mpampianatra. Taorian’ izay, noentina tany amin’ny tokantranon-dray aman-dreniny izy satria ny dadabeny rahateo mpanotra sy mpitsabo nentim-paharazana ao Ampasima­zava, fokotany Andapa II, kaominina ambanivohitra Ambodimanga II, disitrikan’ i Fenoarivo Atsinanana. Ny tolak’ andro kosa ny tranga faharoa, tovovavy iray 17 taona, 2nde IV indray no nihetsika aretina tahaka ilay voalohany ihany. Nampa­nantsoina ny ray aman-dreniny ary nangataka hoentina any amin’ilay nitsabo ilay tovovavy voalohany. Rehefa tonga tany, tsy naharitra ela dia nahita fahasitranana. Tamin’ iny tapany hariva iny ihany ny tranga fahatelo niseho tamin’ny tovovavy 19 taona. Nitovy tamin’ ireo roa teo aloha ihany ny fisehoan-javatra saingy vetivety dia nahatsiaro tena izy ary naterina tany an-tranony. Nohamafisin’ny mpitantana voalohany ao amin’ny Lycée, Randriamaro Tomy Francisco fa tsy ambalavelona ireny fa karazan’aretina mitaiza fotsiny. Ankilany kosa, milaza ireo kristianina fa vokatry ny asan’ny devoly izao raha voalazan’ny hafa fa mitovy amin’ny ambalavelona rehetra miseho amin’ny ankizy mpianatra izao misy manaparitaka izao.

Sajo

Partager sur: