Mampikony : nahazo fanampiana ireo traboina

Maherin’ny 4 000 ireo traboina vokatry ny fandalovan’ ny andro ratsy Cheneso tao Mampikony. Tsy niandry ela fa nidina ifotony nijery ny zava-misy tao an-toerana, nisolo tena ny fitondram-panjakana, ny minisitry ny Mponina, Soafilira Princia, ny faran’ny herinandro teo. Anisan’ny nomena ireo traboina tamin’izany ny vary, voamaina, “seau”, lovia, sotro, lamba firakotra ary fonosana kojakoja ilaina andavanandro “PPN”. Nato­lotra tao amin’ny EPP Ambalavy sy Ambohi­ma­velona ary Antsa­tra­ma­ne­ra, itobian’izy ireo izany.

Tsy vitan’izany fa notolorany lelavola ihany koa ireo fikambanam-behivavy sy ireo sojabe ao an-toerana.
Politikam-pampandrosoana
Nambaran’ny minisitra ta­min’izany fa efa misy ny politikam-pampandrosoana entin’ ny minisitera tantaniny amin’ ny alalan’ny vondrom-pikambanana Viavy miavotse sy ny Lehilahy mandray andraikitra ary ny fikambanan’olon-kendry. Eo koa ny “Tanora an­drin’ny firenena-Tafa”. “En­ta­nina isika vahoaka mba hi­ditra ao anatin’ireo vondrom-pikambanana ireo mba hanamora ny fanampiana sy ny fanohanana antsika”, hoy izy.
Tonga nanotrona ny minisitra tamin’izany ireo solontenam-panjakana sy olom-boafidy avy any amin’ny distrikan’i Mampikony syi Port Bergé. Teo koa ireo manam-pahefana sivily sy miaramila…

Synèse R.

Partager sur: