Iray amin’ireo mpiara-miasa amin’ny fadintseranana ny GasyNet, anisan’ny asany
amin’izany ny fitsirihina amin’ny «scanner» ireo entana tonga na alefa, araka ny toromariky ny Fiombonamben’ny fadintseranana eran-tany (OMD). Fandalovan’entana eo amin’ny «scanner», fomba iray fanaraha-maso ireo entana raha mifanaraka amin’ny fanambarana natao. Tsy fandaniam-potoana koa ny fampiasana izany ankehitriny, tafiditra ho azy ny valiny fitsirihana natao ao anatin’ny “guichet unique éléctronique”.
Efatra minitra eo ho eo amin’ny ankapobeny ny fotoana lany amin’ny fitsirihina. Raha “tsy mampiahiahy” ny valiny, avy hatrany malalaka ny fivoahany ao amin’ny fadintseranana, raha “mampiahiahy”, tsy maintsy atao ny fizahana mivantana. Ahafahana mandray ny valin’ny fanaraha-maso sy ny sary azo avy aminy.
“15 taona niaraha-niasa tamin’ny ladoany ny GasyNet. Raha oharina tany amin’ny 15 taona lasa, tsara fiarovana kokoa ny fadintseranana malagasy, ary mivoatra”, hoy ny PDG, Rtoa Lisiniaina Razafindrakoto. Moramora kokoa ho an’ny mpanafatr’entana, satria misy ireo fitaovana ilaina. “Raha tsorina, manampy ny fadintseranana amin’ny fanavaozana ny fomba fiasa eo amin’ny famoahana entana.”, hoy ihany ny PDG. Ohatra tsara amin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana sy ny tsy miankina ny GasyNet.
Ndrina