Rovan’i Madagasikara : natomboka ny asa fanarenana ny fiangonana

Harenina haingana, saingy manara-penitra. Araka ny tapaka nandritra ny Filan­kevitry ny minisitra farany teo, hatao faran’izay haingana ny fanarenana ny tilikambon’ny fiangonana protestanta ao Anatirova. Tonga nitsirika ny fanombohan’izany asa maika izany ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, omaly, nomban’ireo solontenan’ny Andriana Merina. «Efa ta­zantsika manomboka io ny fanarenana ilay tilikambo izay simban’ny varatra. No­hararaotiny ihany koa ny fijerena ireo asa tokony hatao hafa, satria na fiangonana aza ity, dia anisan’ny vakoka ato amin’ny Rovan’i Mada­gasikara ka mila fikolokoloana, izay tsy mbola nisy nandritra ny 154 taona nijoroany. Tsikaritra fa misy rano ao ambanin’ny fiangonana ary efa hatramin’izay izy io. Mitsika ka manimba azy tsikelikely izany, ka ijerena vahaolana. Toraka izany koa ny tafo izay misy mitete, sy ireo vato mila diovina», hoy ny nambaran’ny minisitra. Haha­ritra eo amin’ny iray volana eo raha ny tombantombana ny asa, saingy miankina amin’izay mety ho fiitarany na tsia.

Zo ny Aina

Partager sur: