Saika matin’ny fitsaram-bahoaka : mpamaky trano roa lahy voasambotra

Mitohy ny hala-botry ata­on’ireo jiolahy. Raim-pianakaviana iray naterin’ny fokonolona teny anivon’ny zandary rehefa avy nangalatra tao So­a­tolakandro, fokontany Am­bo­di­vohitra, distrikan’ Ikala­ma­vo­ny, ny 27 janoary teo . Ni­di­na handrehitr’afo tao ambany rihana ny renim-pianakaviana iray. Foana tsisy intsony ny vary 160 kg tao amin’ny fitoerany . Niantso vonjy, arak’izany, io ramatoa io ary nampandre ireo manodidina. Na­nan­tona ireo mpivaro-bary manodidina izy. Nitondra vary teo amin’ireo mpivarotra ireo tokoa ny olona iray nampiahiahy. Sarona, noho izany, ity farany. Nitoroka ny namany iray hafa izy ary niaraka notazomina ao amin’ny zandary.

Tsiferana R.

Partager sur: