« Tamatave Midera »: nanaka-danitra ny fiderana an-kira

«Tsy mbola nisy seho fiderana goavana toa ity teto Toamasina», hoy ny namba­ran’ny mpanentana… mikasika ilay fampisehoana «Tama­tave Midera”, notontosaina ny takarivan’ny alahady teo, ankalamanjana nanoloana ny Hôtel de Ville io. Nanomboka ny hetsika ireo fanentanana isan-karazany, narahin’ny soradihy nataon’ny Union mpandihy Tamatave. Nifan­dimby kosa taorian’izay ireo antoko mpihira avy amina fiangonana isan-karazany ao Toamasina, toy ny Elatry ny Maraina, Sami, Tsara Fide­rana, Arpa Choir, Ankoatran’ ny Fitiavana, Akon’i Betela, Feon’ny Mpandresy Tama­tave, Midera, sns. Anisan’ny fotoana nafana indrindra ny nahitana ny fiarahana an-tsehatr’ireo tarika telo nandrasana : Tanà Gospel Choir, Meva Gospel ary ny Jaw’s Band. Nahafaly ireo mpijery, ohatra, ny «Mandrakizay», niarahan’ny TGC sy i Jaovola, lehi­ben’ny Jaw’s Band. Samy nanome ny kanto indrindra tamin’ny hira fiderana, nahenoana karazan-gadona maro nampientanentana sy nandona fo ireto tarika telo ireto. Raha ny vinavina, fanombohana ihany ny «Tamatave Midera». Ka­saina hitety an’i Madagasi­kara izany…

Zo ny Aina

Partager sur: