Tatitra – BNGRC : 30 ireo olona maty, 20 tsy hita poapoaka

Miisa 30 ireo olona maty vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Cheneso teto amin’ny Nosy. Miisa 20 ireo tsy hita popoka nandritra izany, raha ny tatitra voaray tamin’ny BNGRC (birao nasionaly misahana ny fitantanana ny loza), omaly. 88 949 ireo traboina manerana ny Nosy. Anisan’izany ny faritra Ana­lamanga, Boeny, Sofia ary Analanjirofo. Fianakaviana traboina miisa 20 403 niparitaka amin’ny faritra miisa 17. Olona 43 789 ahitana fianakaviana 9 596 tsy maintsy nafindra toerana. Notsinjaraina amin’ny toerana samihafa miisa 148 izy ireo. Vokatry ny tondra-drano sy fahapotehan’ny trano fonenana. Ni-teraka fahasimbana tamin’ny faritra maro ny fiakaran’ny rano. Maherin’ny 26 363 ha ireo tanimbary tondraky ny rano nandritra izay fotoana izay, raha ny tatitra voaray hatrany. 1073 amin’ireo sim­ba sy potika avokoa. Amina hektara maro ny voly vary simba tafiditra anatin’izany ny ato amin’ny faritra Ana­lamanga. Tsy mitsahatra mandray andraikitra manandrify ny tranga misy ny eo anivon’ny fitondram-panjakana sy ny governemanta.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: