Saron’ny zandary avy ao amin’ny borigadin’i Vatomandry, ny talata lasa teo, ny iray amin’ireo jiolahy tompon’antoka tamin’ny fahafatesan’ny renim-pianakaviana mpanangom-bokatra amin’iny tapany atsimon’i Vatomandry iny. Araka ny fanampim-panazavana voaray avy amin’ny kaomandin’ny borigadin’i Vatomandry, ny GPHC, Rambeloson Solo Jean Richard, vokatry ny vela-pandrika nataon’ny zandary no nahavoasambotra azy tao Ilaka Atsinanana. Teo am-pandraisana taksiborosy hihazo an’Antananarivo izy no tratran’ny zandary. Marihina fa nitondra volabe mandehandeha ilay renim-pianakaviana niharam-boina. Vola hividianany vokatra jirofo, kafe, trondro maina ireto tany aminy ireto. Nosakanan’ny jiolahy tao anaty ala ao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Niarovana Caroline izy tamin’io fotoana io. Maty novonoin’ireo jiolahy izy.
Tsy vitan’izay fa norobain-dry zalahy koa ny vola 5 tapitrisa Ar saika hanangonam-bokatra tao amin’ity kaominina ity.
Sajo