“Ny hanovantsika fikaonandoham-pirenena: ahoana no hialana amin’ny fitantanana ny harem-pirenena verivery foana, fa 1% no mba tombontsoa ho an’ny firenena? Ahoana koa ny mba tena hananan’ny solombavambahoaka izany fiandrianana izany, fa tsy miandry kolikoly na “malety” fotsiny? Izay no manahirana antsika eto amin’ny firenena.”
Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny hetsika Dinika ho fanavotam-pirenena (DFP), Ratolojanahary Maharavo, manoloana ny fitakian’ny mpanohitra sasany ny tokony hanaovana fikaonandoham-pirenena momba ny fanatanterahana fifidianana. Efa impiry moa no nahemotra izany fifidianana izany? Rehefa misy toe-javatra na raharaha lehibe tsy azo anoarana lehibe: tsy nanao ny fifidianana ny firenena, tsy nianatra ny mpianatra…
Tamin’ny “Raharaha 1991”, ohatra: valo volana tsy nandeha ny fitantanan-draharaham-panjakana, fa nihemotra avokoa ny zavatra rehetra. Impiry no nisian’ izany teto Madagasikara. Koa amin’izao fotoana izao, misy ny hoe fanahiana: inona no ahiana? Rehefa misy antony lehibe izay tsy hanaovana fifidianana, izay aloha no hatrehina.
Aminy, ny laharam-pahamehana amin’ny laharam-pahamehana rehetra aloha: fotoana fanararaotana ho an’ny firenena mahantra rehetra ny ady eo amin’i Ukraine sy i Rosia mba hiatrika amin’izay ny sakana amin’ ny fampandrosoana: inona marina no sakana amin’ izany eto Madagasikara?
R. Nd.