Fampandrosoana: mbola vitsy ny mampiasa nomerika (digitalisation)

Malaza eran-tany izao ny fampandrosoana ny toekarena amin’ny fampiasana ny nomerika. Ny Ligue arabe ohatra, manao tolotra maro momba izany. Fantatra izany avy amin’ireo tolotra nataony tamin’ny fivoriana tany Dubaï ta­min’ny herin-taona. Nandray anjara tamin’izany i Madaga­sikara amin’ny fidirana ny fampiasana nomerika (digitale) ho fanovàna ny fampandehanana ny toekarena.
Nampahalalana io fidirana amin’ny nomerika io eo amin’ny fitantanana ankapobeny. Sehatra efatra nambara fa voakasik’izany eto Madagasi­kara : asam-panjakana indrindra momba ny fampianarana, fahasalamana sy fananan-tany, fambolena, ary fampidirana ny raharaha ara-bola sy ny fifanakalozana. Mampa­me­tra-panontaniana ihany, ino­na ny teknolojia vaovao fampiasa eo amin’ny fambolena eto Madagasikara ? Na ireo sehatra hafa aza, mbola vitsy ny mampiasa nomerika noho ny sakana maro.
Momba ny fifanakalozana, efa manomboka i Mada­gasikara amin’ny alalan’ny « e-poketra », handoavana ny karaman’ny mpampianatra, mpiasam-panjakana sasany, sy vatsim-pianarana eny amin’ny oniversite.
Vao tamin’ny herinandro lasa teo nisy fampisehoana momba izany “digitalisation” izany teto an-dRenivohitra nataon’ny Orange Digital Center. Tamin’io fotoana io no niantsoana ireo tanora mpianatra marobe hifantoka kokoa amin’izany sehatra izany.

Ndrina

Partager sur: