Fandalovan’ny rivodoza : nankahery ireo traboina ny mpianatry ny CEDS

Teo ambany fiahian’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena sady minisitry ny Raha­raham-bahiny mpisolo toerana, ny Jly Rakotonirina Ri­chard sady directeur des études an’ireo mpianatry ny CEDS “Centre d’études diplomatiques et stratégique” eny Androhibe. Nizara fanampiana ho an’ireo olona marefo vokatry ny fandalovan’ny rivodoza ny andiany faha 13 eo anivon’ny CEDS, ny asabotsy 27 janoary 2023. Natao izany mba hanamaivanana ny vesatra ateraky ny fandalovan’ny andro ratsy teto amintsika. Tokantrano maherin’ny 100 teny amin’ny fokontany 67 ha no notoloran’izy ireo fanampiana toy ny vary, menaka, labozia sy savony. Fifanomezan-tanana teo amin’ny mpiray andiany sy avy amin’ny directeur des études no nahafahana nanatanteraka izao hetsika izao. Zava-dehibe ny fifanomezan-tanana amin’ireo mpiray tanindrazana manoloana ny voina mihatra toy izao, araka ny fanazavan’izy ireo.

Jean Claude

Partager sur: