Notanterahina ny alatsinainy lasa teo ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny Mouloudia Alger sy ny CFFA, ny amin’ny fifindran-toeran-dRazafindranaivo Koloina, hilalao any Algerie. Mitentina 50.000 Euros na 232 tapitrisa Ar ny teti-bidin’ izao fandehanan’ity mpilalaon’ny CFFA Andoharanofotsy ity izao, hilalao ao Mouloudia mandritra ny 3 taona sy tapany. Nambaran-dRakotoarimanana Henintsoa (Tôta), ben’ny Tanànan’ Andoharanofotsy fa natao mangarahara ny fifindrany ary mirotsaka mivantana ao amin’ny klioban’ny CFFA izay an’ny kaominina Andoharanofotsy io vola io. Nohamafisiny fa afaka hampandrosoana amin’ny alalan’ ny baolina kitra ny kaominina. “Izany rehetra izany dia noho ny ezaky ny maro ka anisan’izany ny fifaninanana Orange Pro League (OPL). Isaorana ny filoham-pirenena nanao kianja maro manerana ny faritra hahafahan’ireo mpilalao mivelatra”, hoy izy.
Tsy nolazaina kosa ny ho karaman-dRakol fa anisan’ ireo tombontsoa azony ny fahazoany fiara manokana, ny fahafahany mitondra ny vadiny sy ny trano hipetrahana any Alger sy ny hafa.
Nilaza i Tôta fa nojerena avokoa ireo pitsopitsony rehetra ka rehefa hita fa misy tombony sy hampivoatra ilay mpilalao vao nirosoana ny fanaovan-tsonia. Klioba D1 ao Alger, ny Mouloudia ary anisan’ny ekipa efa antitra. Tsiahivina fa tapitra omaly talata 31 janoary ny fe-potoana hahafahana mifindra klioba (Mercato).
Tompondaka