Fitakiana: mitsipaka fiaraha-mitantana ireo Nosy Malagasy ny Seces

“Anisan’ny mbola fibodoana tany ny tsy famerenan’ ny mpanani-bohitra na ny mpanjanaka azy ireo amin’ ny firenena malagasy. Izay no mahatonga hatrany ny hoe: tsy mitsahatra mitaky ny famerenana an’izay ny filankevi-pirenen’ny Seces, rehefa misy fivoriana”, hoy ny filoha nasionalin’ny Sen­dikàn’ny mpampianatra mpi­karoka (Seces), Randria­mia­linoro Faliarivony, momba ny fitakin’i Madagasikara ireo Nosy malagasy manodidina bodoin’ny fanjakana frantsay, taorian’ny filankevi-pirenena tany Toamasina.
Izay koa no mahatonga ny Seces manantitra hatrany ny hoe tsy tokony hieritre­ritra ny fiaraha-mitantana amin’ny fanjakana frantsay ny amin’ireo Nosy manodidina ny Malagasy. Raha misy izay, atao aloha izay hahazoana na hamerenana azy ireo amin’i Madagasikara; avy eo, ho hita izay hanaovana azy. Saro-piaro amin’ ny tany malagasy sy ny nosy mandrafitra ny Nosy mala­gasy ny Seces. Tsy ny Nosy lehibe ihany no mandrafitra an’i Madagasikara, fa misy Nosy kely be dia be manodidina azy.

Zava-dehibe ny fiarovana ny fananan’ny tena

Tokony ho an’i Madaga­sikara aloha ireo Nosy ma­lagasy manodidina fa tsy avela amin’izao, raha Nosy anisan’ny mandrafitra azy. Zava-dehibe ny fiarovana ny fananan’ny tena tsy hobodoin’ny olona. Tokony hiezaka manatona ny mpibodo tany amin’ny famerenana an’ireo Nosy malagasy ma­nodidina ireo ny Malagasy, ary manao fanoherana fa azy ireo Nosy ireo, fa tsy ry zareo Frantsay no mametraka amin’izay tiany hatao.
Ny Malagasy no miaraka amin’ny Firenena mikambana (ONU) sy izay firenena afa-manampy an’i Madaga-sikara amin’ny fitakiana ny hamerenan’ny fanjakana frantsay an’ireo Nosy mala­gasy manodidina ireo. To­kony ho ny firenena mala­gasy na ny Malagasy iray manontolo no miara-mientana sy mametraka ny hoe izy no tompon’ireo Nosy mala­gasy manodidina ireo ary haverina aminay. Izay no tokony hifampijerena ao anatin’izay. Avy eo, jerena izay hiarahana miasa raha misy fiaraha-miasa tokony hatao fa tsy izay mibodo tany indray no mibaiko.

R. Nd.

Partager sur: