« Héroïne »: andrasana ny fotoam-pitsarana ilay kaomisera divizionera

Taorian’ny nandefasan’ny eo anivon’ny fampanoavana ilay kaomisera divizionera higadra anyam-ponja vonjimaika ny faran’ny herinandro teo, andrasana ny fotoam-pitsarana azy. Araka ny loharanom-baovao azo anefa, tsy nisy ity manamboninahitra ity avokoa ireo fonja izay nanontaniana eto an-toerana, omaly. «Tsy migadra etsy Antani­mora izy, ary tsy eny Tsiafahy koa. Rehefa namarinina ny any amin’ny fonjan’Amba­lata­voahangy, fantatra fa tsy misazy any a-toerana izy” , hoy ny loharanom-baovaonay. Mampametra-panontaniana ireo mpanara-baovao, arak’izany, ny fampiharana ny lalàna ho an’ity jeneraly polisy ity. Tsiahivina anefa fa tratra ambodiomby, nidoroka sy nivarotra zava-mahadomelina mahery vaika izy. Voa­sam­botra tetsy By-pass niaraka tamin’ny rongony mahery vaika izy sy ny namany iray hafa, ny herinandro lasa teo. Efa voasaringotra tamin’ny raharaha fanodikodinana ilay rongony mavesatra tra-tehaka tao Toamasina ny taona 2022 ihany koa izy. “ Mety namoahana didy fanaraha-maso ataon’ny fitsarana koa anefa izy. Tsy voatery mijanona am-ponja fa atao andrimaso, mandram-pahatonga ny datim-pitsarana. Matetika mantsy, olona ahiana hitsoaka na tsy ho hita popoka no ampidirina am-ponja vonjimaika.”, hoy kosa ny loharanom-baovao hafa, nanazava ny antony mety tsy maha any am-ponja an’ingahy kaomisera divizionera.

Randria

Partager sur: