Taorian’ny fotoana lava niandrasana, fantatra fa amin’ ny volana Avrily 2023 no hanatanterahan-dRandrianarivelo Mahefa Dimbiniaina ny fampirantiany, eny amin’ny Institut Français de Madagascar na IFM Analakely. Izy izay mpaka sary mpandresin’ny “Prix Paritana 2022”, tamin’ ny alalan’ny tetikasany “Ho nofy ihany”. Mbola any Frantsa, avy namita fampirantiana moa ity mpandresin’ny “Prix Paritana 2022” ity, fampirantiana nifarana ny 28 janoary 2023.
Efa dodona ny mpankafy sy ny Malagasy eto Madagasikara, hianoka ny fampirantiana ny “Ho nofy ihany”. “Efa tetikasako efa ela ny “Ho nofy ihany” saingy mbola tsy tena afaka nanatanteraka azy aho noho ny fahatsapako fa mbola tsy ampy ny fahalalako sy ny fahafantarako ny eo amin’ity tontolo ity. Ny nahazoko ny “Prix Paritana” no nanampy betska ahy hanatanteraka ny tetikasako. Nihoatra lavitra ny noeritreretiko ny fivoakan’ ny tetikasa taorian’ny fiofanana sy ny fampirantiana”, hoy i Mahefa Dimbiniaina.
Lin (Mpianatra asa)