Fantatra omaly, tao anaty tambajotran-tserasera fa tsy afaka hilalao mandritra ny roa volana i Ferland Mendy, mpilalao Frantsay milalao ao amin’ny Real Madrid Espaina. Araka ny vaovao dia ilay ratra nahazo azy tamin’ny lalao ampahavalon-dalana ny “Coupe du Roi Espagne”, izay nihaonan’ i Real Madrid sy Atletico Madrid no nitarika izao tsy fahatomombana ara-pahasalamana mahazo azy izao.
Misendra olana mafy i Real satria mpilalao isan’ny tena ilaina ao anaty ekipa i Mendy. Tsy afaka hilalao izy izany amin’ny lalao mandroson’ny fiadiana ny ho tompondaka ny Eoropa “Ligue des Champions”, izay hihaonan’i Real Madrid sy Liverpool. Lalao hotanterahina amin’ny 21 febroary ho avy izao, any Anfield. Raha ny sision-dresaka dia i David Alaba no hanolo ny toerany.
Marihina fa tsy afaka ny hilalao koa izy izany amin’ ny lalao manasa-dalana ny “Coupe du Roi”, izay hihaonan’ny Real Madrid sy ny Fc Barcelone amin’ny 2 martsa ho avy izao.
Fitia (Mpianatra asa)