Kitra – «Chan 2022»: nosakanan’i Senegal ny lalan’ny Barea de Madagascar

Nifarana teo amin’ny dingana manasa-dalana ny dian’ny Barea de Madagascar, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra ho an’ireo mpilalao tsy matihanina “Chan 2022”. Resin’ny Lion de Teranga ry zalahy.

Noravain’ny Liona-n’i Teranga Senegal, ny nofinofin’ny Barea de Madagascar eo amin’ny fiadiana ny ho tomponda­kan’i Afrika, taranja baolina kitra ho an’ireo mpilalao tsy matihanina “Chan 2022”. Nota­pa­hin-dry zalahy, teo amin’ny manasa-dalana ny dian’ny Malagasy. Resin-dry zalahy, tamin’ny isa 1 no ho 0 ny Barea. Fihaonana, notanterahina omaly tao amin’ny kianja Nelson Mandela.
Nanohitra ihany ny Barea saingy natanjaka sy nanantombo teo amin’ny fifehe­zana ny kianja ny senegaly. Vao nanomboka 5 mn ny lalao dia efa nanokatra ny isa ry zareo Liona, tamin’ny alalan’i Dialo, taorian’ny tolotra nataon’i Sané. Nie­zaka nanafika ihany ny malagasy saingy nirafitra tsara ny fiarovantenan’ny Liona ka tsy tafavoaka mihintsy ireo lohalaharana malagasy, nahitana an-dRakol sy i Jean-Yves. Porofon’izany, tsy tafiditra tao anaty faritra tsy azo ivalozana mihintsy ry zalahy ary tsy nahavita nitifitra tao anaty tsatobyn-dry zareo senegal.
Totoafo ny fanafihana senegal ary tao amin’ny sisiny havanana nisy an’i Avi­zara hatrany no niainga izany. Afaka nanao tolotra hatrany i Mbaye, izay nanahirana ny vodilaharana ma­lagasy. Nen­tin’ny roa tonta niala sasatra io isa tokana, 1 no ho 0 io.

Tsy tafavoaka mihitsy

Fizaram-potoana faharoa, nanova mpilalao i Rôrô mpanazatra. Nesorina i Jean-Yves nampidirina i Carlos. Tsy mbola tafavoaka ny Barea. Tetsy an-kilany, sempotra ry Tantely sy i Berajo nanakana ny fanafihana to­toafon’i senegaly. Anisan’ny nanavotra betsaka ny Barea i Nina, mpi­andry tsatoby.
Noteren’ny Liona ihany koa ny teo afovoan’ny kianja ka tsy afaka nampita baolina tany amin’ny lohalaharana ireo irakiraka. Mbola nanova mpilalao indray i Roro, ka nesorina i Rakol sy i Tsiry ary niditra i Tendry sy i Onja. Tsy nampiova inoninona anefa izany.
Tapitra ihany koa ny fi­haonana. Hiady ny toerana fahatelo hiadiana ny medaly alimo amin’i Niger, izay no­montsanin’i Algerie, tamin’ny isa mavesatra, 5 no ho 0 ny Barea. Fihaonana, hotanterahina ny zoma ho avy izao.
Hiatrika ny famaranana kosa i Senegal sy i Algerie, ny asabotsy ho avy izao.

Tompondaka

Partager sur: