Lavanila – Varotra ivelany : fitsirihana ny kalitao sy ny fenitra takina

Miara-miasa amin’ny fa­dintseranana ny ekipan’ny Sampandraharaha misahana ny kalitao sy fepetra momba ny vokatra (SQC)* eo anivon’ny minisitera misahana ny varotra (MICC) amin’ny fitsirahana ny lavanila sy ireo vokatra hafa mialohan’ny fandefasana ireo vokatra any ivelany. Tafiditra ao anatin’ny politika fanadiovana ny fanondranana izany fitsirahana izany, natao indrindra hanamarinana ny kalitao sy ny fenitra na fepetra takina eo amin’ny vokatra lavanila aondrana.
Nambaran’ny Tale jeneraly misahana ny varotra sy ny fanjifana, Razanakoto Isidore fa “hisorohana indrindra ny mety ho famerenana ny entana ny fitsirihana raha toa ka tsy manaraka ny fepetra takin’ny tsenam-barotra iraisam-pirenena izany”. Hita nandritra ny fitsirihana natao omaly 31 janoary 2023 ihany koa fa manaja ny vidin’ny lavanila voavoatra ho 250 dolara ny kilao (prix FOB) napetraky ny fanjakana ireo mpandraharaha.
Manodidina ny 8 taonina ny vokatra lavanila naondrana omaly hita nandritra ny fidinana teny Ivato, amin’ny Air France Cargo.

Ndrina
SQC* : Service de la qualité et du conditionnement

Partager sur: