Literatiora: Ezaka ny fampodin-kasina ny teny malagasy

Tontosaina anio, eny amin’ ny Tranombokim-pirenena Anosy, ny velan-kevitra “Ny fombam-pitenenena mala­gasy”. Hetsika karakarain’ny fikambanana Famoloana Te­lozoro, “Tanjona amin’izao ny hanokatra sehatra ifanakalozam-pahalalana mikasika ny kolontsaina sy ny literatiora ary ny teny malagasy eo amin’ ny samy mpanoratra sy izay liana amin’izany.” hoy i Si­traka Feno Tanteraka, izy izay hi­tondra ny velan-kevitra anio.
Hetsika fampiroboroboana sy fanandratana ny kolon­tsaina sy ny literatiora mala­gasy, atao isaky ny alarobia voalohany amin’ny volana ity tafaverina ity. Ho an’ity vo­lana febroary ity. Valan-kevitra momba ny “Ny fombam-pitenenana malagasy” no ho hita eny amin’ny Tranombo­kim-pirenena malagasy, ao amin’ ny efitrano Dox, anio amin’ny 2 ora sy sasany. Ny ohabolana sy ny oha-pitenenana Mala­gasy no haroson’i Sitraka Feno Tanteraka amin’ izany.
Isan’ny tanjona amin’izao ihany koa ny fitazonana sy famerenan-kasina ny kolon­tsaina, indrindra ny teny mala­gasy.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: