Saron’ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena ao Ambohitrandriamanitra ny 28 janoary 2023 alina, ireo dimy lahy voarohirohy ho tompon’antoka tamina halatra arina fandrehaitra miisa 60 gony. Nahazo loharanom-baovao ny zandary fa nisy trangana halatra arina tao amin’ny kaominina Merikanjaka, distrikan’i Manjakandriana. Mifankahalala tsara amin’ny tompon’entana ry zalahy ireto, araka ny fanazavan’ny zandary. Haka ireo entana hoentina hiakatra aty Antananarivo no nifanarahana kanjo nangalarin’ireo mpamily sy ireo mpanampy azy ireo arina fandrehitra miisa 60 gony tokony ho tateriny. Nafindran’izy ireo ka nalevina tao anaty lavaka ireo arina ireo. Mody nantsoin’izy ireo ny tompon’entana fa hoe tsy eo amin’ny toerana tokony hakana azy ireo entana fa nisy nangalatra. Rehefa alina ny andro, niverina ireo mpangalatra nitatitra ireo entana. Tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny anefa ry zalahy.Arahina akaiky ny tohin’ny raharaha.
Jean Claude