Natolotra, omaly, teny Ankorondrano, ny boky torolalana hisorohana ny tranga kolikoly eny anivon’ny fonja eto Madagasikara. Boky novokarin’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena momba ny zon’olombelona (CNIDH) sy ny sampandraharaha iraisam-pirenena misahana ny frankofonia (OIF) ary ny masoivoho frantsay eto amintsika.
«Amin’ny ankapobeny, ny tsy fahafantarana ireo tolotra tokony tsy handoavam-bola mandritra ny famonjana no mitarika ny kolikoly eny amin’ ny fonja nanaovana fanadihadiana », hoy ny filohan’ny vaomieram-pirenena CNIDH, Andriamarohasina Seth. Namolavola boky torolalana ho an’ny voafonja sy ny fianakaviany ary ny mpiasan’ny fonja ny vaomiera satria manana zo fototra toy ny olombelona rehetra ny voafonja nefa noho ny fisian’ny kolikoly, voahosihosy ny ankamaroan’ireo. Anisan’ny tolotra sy zo fototra tokony hositrahan’ny voafonja ny hahazo fitsaboana, hotsidihan’ny fianakaviana sy hifanerasera aminy…
Taorian’ny fanadihadiana natao teny anivon’ny fonjan’i Tsiafahy, ireo mpiasan’ny fonja ihany no mpanao kolikoly ho an’ny 71% amin’ny tranga miseho, ireo voafonja ho an’ny 4% ary olon-kafa ho an’ny 25% ambiny. Teny amin’ ny fonjaben’Antanimora indray, mbola ireo mpiasan’ny fonja no manao ny kolikoly, 76%, ireo voafonja 12% ary olon-kafa ho an’ny 11% ambiny. 100 Ar ka hatramin’ny 2 600 000 Ar ny sandan’ny kolikoly, arakaraka ny tolotra. 100 Ar fividianana rano hanasana tarehy na handroana. Manome vola 1200 ka hatramin’ ny 18 000 Ar raha te hihaona amin’ny fianakaviany ny voafonja iray. Sandaina 2 600 000 Ar ny fikarakarana hivoaka ny fonja. Mbola andoavana vola 15 000 Ar ny fisakafoana ara-dalàna sy fandraisana entana avy amin’ny fianakaviana. “Nisongadina tamin’ny fanadihadiana fa mandritra ny fizarana toerana anatin’ny efitrano fatoriana sy ny fitsidihana ataon’ny fianakaviana no tena miseho ny kolikoly”, hoy ny filoha lefitry ny CNIDH, Andrianalivelo Prisca. Teto Analamanga, any Matsiatra Ambony, Atsinanana ary Sava ny fonja niasana satria naharaisana fitarainana betsaka momba ny kolikoly.
Efa misy rafitra napetraka hiadiana amin’ny kolikoly eto amintsika fa afaka mametraka fitarainana eny ny fianakavian’ireo voafonja niharan’ny kolikoly mandritra ny famonjana. Anisan’ireny ny Bianco, ny mpitandro filaminana rehetra…
Haparitaka ho an’ny daholobe ny boky torolalana ary azo alaina maimaimpoana ao amin’ny tranonkalan’ny CNIDH. Misy 96 pejy ary voasoratra amin’ny teny malagasy sy frantsay.
Vonjy A.