Hifarana ny zoma ho avy izao ny fisoratana anarana sy fandrotsahana antontan-taratasy fangatahana hisitraka trano fonenana ho an’ny mpianatra anivon’ny oniversite Barikadimy-Toamasina. Araka ny valandresaka nataon’ny filohan’ ny oniversite, dokotera Razanakolona Dina sy ny talen’ny fotodrafitrasa eo anivon’ny oniversiten’i Barikadimy. Ankoatra ny filazana ny fiatrehan’ ny mpianatra ny fisokafan’ny taom-pianarana sy fitsinjarana ny trano fonenana, nanao jery todika ny zava-bita nandritra ny taon-dasa ny tomponandraiktira. Anisany ny fametrahana tamin’ny fomba ofisialy ny filoha sy ireo talen’ny sampandraharaha rehetra. Teo koa ny fametrahana ny tsangambaton’ny faha-45 taona…
Ny taona 2017 no nisy farany ny sampandraharaha misahana ny fotodrafitrasa sy ny fiantranoana eo anivon’ny oniversite ka misahana izany amin’ izao, Randrialahamady Solo. Nohamafisiny fa efa mianatra ny eo anivon’ny fakiolten’ny lalàna, ny alarobia 25 janoary lasa teo, ka 25 (mahazaka mpianatra 150 ka hatramin’ny 300) ny efitrano fianarana nasiana fanamboarana. Mpianatra 2 000 no efa nahavita ny fanaterana ny lisitra sy antontan-taratasy fisitrahana trano fonenana. Mba hisian’ny fanaraha-maso ny fiarovana sy fikojakojana ireo fotodrafitrasa, hisy fandraisana mpiasa ho mpanara-maso ny filaminana anivon’ny “Campus”. Amin’ny ankapobeny, 11 000 ny mpianatra anatin’ny oniversiten’ny faritanin’i Toamasina ahitana an’i Fenoarivo Atsinanana, Ambatondrazaka ary Vatomandry.
Sajo