Niampy sazy mihatra 18 volana sy 2 taona an-tranomaizina, miampy honitra 600.000 Ariary i Malama. Nampangain’ny fitsarana ho nanao fanalam-baraka ilay teratany vahiny Olivier Blancard izy.
Nahazo sazy mihatra 18 volana, miampy 2 taona an-tranomaizina i Mahery Lanto Manandafy. Araka ny didy nivoaka taorian’ny fitsarana azy tetsy Anosy, omaly atoandro. Nampangain’ny fitsarana ho nanao fanalam-baraka tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera ilay teratany vahiny Olivier Blancard izy. Ity farany izay nolazain’ny voampanga fa mpamatsy basy sy bala ny dahalo. Nahazoany sazy mihatra 18 volana izany. Nandritra ny fampanoavana, nitaky porofo mikasika ny fanaparitahana basy ataon’ny teratany vahiny ny fitsarana. Nohamafisin’i Malama nandritra ny fampanoavana fa hananany porofo ny fanaparitahan’io vazaha io basy. Fa anjaran’ny mpitandro ny filaminana sy ny fitsarana no manao fanadihadiana lalina mikasika izany, raha ny nambarany. “Mbola ho avy ny fotoana hamoahana izany eo anatrehan’ny fitsarana”, hoy izy.
Ankoatr’izay, niampy sazy 2 taona an-tranomaizina sy onitra 600.000 Ariary ny sazy miandry azy. Momba ny fitorian’ilay “officier de police” ao amin’ny fitondram-panjakana azy. Mikasika ny fanononana anarana fa voarohirohy sy niray tsikombakomba tamin’io rahaharaha aferana basy io ihany. Marihina fa nitory an’i Mahery Lanto Manandafy sy A/toa Aurelien Napoleon io polisy io. Nahazo fahafahana madiodio noho ny fisalasalana ilay teratany vahiny nandritra ny fitsarana. Na dia teo aza ny fitoriana nataon’i Malama mikasika ny fandrahonan’io vazaha io azy ho faty. Nilaza i Malama fa tsy misy atahorany ny zava-miseho na dia eo aza ny sazy mihatra aminy teo am-pivoahany ny fitsarana.
Mino ( mpianatra asa)