Hankasitrahana amin’ny asa vitany ny mpanakanto sy ireo miasa manodidina izany. Amporisihina hanolotra ny tsara kokoa hatrany, satria izay no tanjona amin’ny “RDJ Mozika”.
Efa samy miandry fatratra ireo mpanakanto! Fotoana iray hitsaran’ ny mpankafy, fa hahafahan’ny mpanakanto manao tomban’ ezaky ny zava-bitany nandritra ny taona nivalona ihany koa ny “RDJ Mozika”. Ho an’ny “RDJ Mozika 2022”, hotontosaina ny zoma izao ny lanonana manetriketrika, eny amin’ ny CCI Ivato. Hotolorana mari-pankasitrahana amin’io ireo mendrika indrindra, arakaraka ny safidin’ny mpankafy izay sady mpihaino ny onjam-peo RDJ.
“Ireo hira rehetra mandeha amin’ny onjampeon’ny RDJ teto Antananarivo, Antsirabe, Mahajanga ary Toamasina, sy ireo hetsika nanao dokambarotra no nisafidianana hifaninana. Anjaran’ny mpankafy no misafidy, fa afaka manao ny fanentanana ireo mpanakanto“, hoy ny nambaran-dRasolojaona Tahiana, tale jeneralin’ny onjampeo RDJ omaly, raha nampahafantatra tamin’ny mpanao gazety sy tamin’ireo mpanakanto ny andinindinin’ny hetsika “RDJ Mozika 2022”.
“Ny sanganasany no fidiana fa tsy ny mpanakanto. Ireo hira naterina taty aminay ka nandeha teo anelanelan’ny 1 desambra 2021 sy ny 30 novambra 2022 ireo notsongaina hifaninana isan-tsokajy ireo. mety misy, araka izany, ny sokajy vaovao. Misy ihany koa ny nofoanana satria mety tsy nisy nifaninana. Tena arakaraka izay sanganasa malaza mihitsy no nanavahana ny sokajy. Mety misy koa hira heverina fa malazabe kanefa tsy hita anatin’ireo sokajy rehetra ireo. Na izy izay tsy nanatitra hira taty aminay, na efa tsy tao anatin’io fe-potoana io”, hoy kosa ny fanamafisana nataon’i Miora Rasetrason, tompon’andraikitry ny fanomanana.
32 ny sokajy hifaninana
Mitombo hatrany ny isan’ ireo sokajy mifaninana isan-taona. Porofo aloha izay fa mivelatra ny mozika eto Madagasikara. Miisa 32 izany amin’ity, ka ny 30 amin’ireo dia hofidian’ny mpankafy avokoa. Efa nanomboka ny 14 janoary ka hifarana ny 3 febroary izao izany. Ny sokajy “titre de l’année” kosa dia omaly vao nanomboka ny fifidianana ka ireo hira 10 be mpangataka indrindra no notsongaina ao.
Ny “Mpanakanton’ny taona 2002” kosa dia anjaran’ ny ekipan’ny RDJ tanteraka no misafidy azy. “Maromaro ireo masontsivana hamoahana izany, ka anisan’izany izay valim-pifidianana amin’ io fotoana io. “Ankoatr’izay, hisy koa ny “Trophée d’honneur” homenay ireo mpanakanto zokiny, izay nametraka tantara hoan’ny mozika. Eo ihany koa ny “Trophée de mérite” avy amin’ny “comité d’écoute” ary mari-pankasitrahana roa hafa mihitsy, ho an’ireo izay miavaka indrindra amin’ny fidirana sy ny fitafy amin’io fotoana io”, hoy hatrany ny mpikarakara.
Marihina fa nomena fitenenana, nanome soso-kevitra sy nanontany izay mety ho tsy mazava taminy ireo mpanakanto tonga marobe tao amin’ ny fihaonana, omaly. Anisan’ ireny ny hetaheta miaro fangatahana, amin’ny tokony hisian’ny loka hafa toy ny vola, ankoatr’ilay fankasitrahana amin’ny manaraka.
Ankoatra ireo tsara vintana ka hanatrika mivantana ny lanonana ny zoma, handeha amin’ny fahitalavitra TVM sy ny Canal + Event Mikorana, ao amin’ny canal 19 ny hetsika ny alahady 5 febroary izao.
Zo ny Aina