Sehatra bagasy : hanatanteraka atrikefa i Fidimalala

Mpanakanto malagasy zokiny indrindra sady mihira no mitendry gitara. Ny asabotsy 4 febroary izao, ma­nom­boka amin’ny 2 ora sy sasany, ao amin’ny Ivokolo IKM An­tsahavola, hanatanteraka atrikefa bagasy i Fidimalala. Lohahevitra amin’ity hetsika karakarain’ny Sehatra bagasy ity ny hoe : « Ny dian’ny mpanakanto malagasy nitondra ny bagasy tany an-dafy (1950-1960) : Ranaivo-Ranarivelo, Barijaona, Fidimalala”. Hi­tondra ny velakevitra i Fidima­lala. Omena vahana hatrany kosa ny fitendrena sy ny hira. Hiavaka ny atrikefa eto satria, entanina avokoa izay ho tonga eny an-toerana hitondra gitara satria « hiaraka hitendry amin’ i Fidimalala izay mandia ny faha-95 taonany isika », hoy i Mbosa.
Ranaivo Ranarivelo no nanafatra an’i Fidimalala sy Barijaona ho any Frantsa. Ranaivo Ranarivelo, namo­rona ny hira « Majunga ve? ». Io hira io no nahalafosana diska be indrindra tamin’izany, ka ny vidin’ny diska lafo dia ampy nandehanan’i Ranaivo Ranarivelo tany. Rehefa tonga tany taona vitsivitsy izy, nanafatra an’i Barijaona sy Fidi­ma­lala ho any Frantsa. Nion­drana an-tsambo izy mirahalahy ireo niaraka tamin’ny vadiny avy. Tsy tao Frantsa ihany no nisehoan’izy ireo fa nitety an’i Eoropa.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: