Niara-natelin’ny ranomasina ny mpianaka tao amin’ny fokotany Depot fahaefatra- Toamasina, ny alahady 29 janoary lasa teo tamin’ny 2 ora sy 15 minitra. Fianakaviana iray ity niaraka niala sasatra teny amoron-drano ity. Nilomano, arak’izany, izy telo mianaka. Nanonja mafy anefa ny ranomasina. Nilentika vokatr’io ilay raim-pianakaviana sy ny zanany. Avotra kosa ilay renim-pianakaviana. Nentina namonjy toeram-pitsaboana teo no ho eo io ramatoa io. Tsy nisy nahina ny ainy taorian’izay. Tetsy ankilany, nanoloana ireo vady aman-janany, nifampikarohana izy mianaka taorian’ny filentehany anaty rano. Araka ny fanazavan’ireo manodidina, noho ny fihinan’ireto fianakaviana ireto henan-kisoa no niteraka ny loza. “Tokony hitandrina hatrany ireo mpilalao ranomasina satria tsy ampy fitaovana ny mpamonjy voina ka tsy afaka hanavotra olona eo no ho eo”, hoy ny lehiben’ny sampana mpamonjy voina,ny Kly Charles Desiré.
Sajo/ Tsiferana R.