« Transformateur » jirama nipoaka : tranokely iray may tanteraka

Taitra maraina ny fokonolona teny Anosisoa Ambohi­manarina, omaly. Nipoaka tokony ho tamin’ny 07 ora teo ny vata mpanova herinaratra “transformateur” an’i Jirama miisa roa. Vokany, nipoaka mafy izany sady nahazo ny tsenakely iray mpanao “pho­tocopie” teny an-toerana. May tanteraka izany, ka tsy nisy noraisina intsony. Levon’ ny afo tamin’izay koa ireo entana maro isan-karazany nihidy tao anatiny toy ny solosaina, “imprimante”, “vitrine” ary entana fanaovana “gar­gotte”. Tapaka tanteraka ny jiro sy rano teny an-toerana. Tonga teny ireo tompon’andraikitry ny jirama nanapaka ny herinaratra. Nanampy namono afo kosa ireo sampana mpamonjy voina avy etsy Anosivavaka. “ Nisy rano ilay transfo ka nipoaka mafy ka nahazo ireo tariby mpitondra herinaratra. Avy eo nahazo ilay tsenakely ny afo ka nirehitra ihany koa izany”, hoy ny fanazavan’ireo nanatri-maso. Notohizany fa tsy voasokatra ilay tsena. Ny tompony rahateo, hoy izy, tsy teo an-toerana fa mbola an-dalana namonjy izany tamin’ny fotoana nisehoan’ny loza. “Transformateur” roa mifameno ireto may ireto ary efa indroa nipoaka. Voalohany tamin’izany tsy mbola nisy afo saingy nitera-doza ity faharoa ity. Nanome toky ny teknisianin’ny jirama tonga nandray ny raharaha fa ho vita aloha ny asa rehetra.

Henintsoa H.

Partager sur: