“Tsy hoe tsy maintsy hatao ny fifidianana, fa ezahina ho vita ara-potoana matoa izahay nametraka ny hoe mila ravana ny governemanta ary hatsangana ny governemanta firaisam-pirenena izay hanehoana fitsitsiana”, hoy ny filoha mpanorina sady filoha mpiara-mitantana ny Vondrona politika hafa miray (VPHM), faritra Analamanga, Rasoamaka James, ny herinandro teo.
Hita fa latsaka ankaterena ny firenena. Tsy fizaran-tseza izany, fa entina hampandehanana ny toekarena ary hijerena ny sosialim-bahoaka. Raha ohatra misy finiavana politika ny fitondrana na ny governemanta hijoro eo, tsy ho lava ny fanatanterahana fifidianana. Raha miray hina ny rehetra, azo antoka fa farafahaelany voalohan’ny taona 2024 izany fa tsy mihemotra lava.
“Rehefa nisy ny fitsipaham-pitokisana nataon’ny depiote tamin’ny governemanta izay tsy tanteraka, mazava ho azy fa tsy tsara ho an’ny firenena izany eo anatrehan’ireo mpamatsy vola”, hoy izy. Matahotra na ny mpamatsy vola na ireo mieritreritra hampiasa vola eto ka tsara raha mandray andraikitra ny filohan’ny Repoblika mba tsy ho tratra aoriana loatra.
Tokony hapetraka koa ny filankevitra ambony ho an’ny fiandrianam-pirenena, ho an’ireo antoko politika tsy hahaela ny fanaovana fikaonandoham-pirenena. Hamoaka ny heviny hampitaina amin’ny governemanta amin’ny tokony hovaina haingana.
R. Nd.