Nidina ifotony tany Tsaramandroso, Manerinerina Ankazobe roa andro mialohan’ny fambolen-kazo hatao ny filohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimananana, omaly. Nahavelom-bolo azy ireo ny taham-pahombiazana satria tafakatra hatramin’ny 95% izany tamin’ireo zanankazo novolena, tamin’ny taon-dasa.
Nojerena koa ny velarantany hatrany amin’ny 50ha hovolen’ny fianakaviamben’ny Antenimierandoholona zanakazo miisa 70 000 fototra. “Tanjona ny hiarovana ny tontolo iainana sy ny hampandraisana andraikitra ny olom-pirenena rehetra, indrindra fa ireo ankizy sy tanora hoavin’ny firenena”, hoy ny filohan’
ity Andrimpanjakana ity. Fanamby apetraka ny hitomboan’ny velarantany sy ny isan’ny zanakazo volena isan-taona. Tafiditra amin’ny vina handrakofana ala izany. Nisaotra ny fanampian’ny filoha Rajoelina ny tenany, nanome vary 10 kitapo sy omby efatra, hanaovana ny fambolen-kazo amin’izao faran’ny herinandro izao.
Nisaorany koa ireo mponina ao an-toerana sy ny fiangonana ary ny mpiara-miombona antoka, handray anjara amin’izany. Tahaka izany koa ireo masoivoho vahiny. Mametraka tanjona ny hanitarana ny tahaka izao any amin’ny faritra ny Antenimierandoholona.
Synèse R.