Feno tanteraka ny fandaharam-potoanan’ny eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny basikety, ho an’ny fifaninanana eto an-toerana, amin’ity taona 2023 ity. Tsy hisy fiatoana fa hisy hatrany ny lalao isam-bolana, manomboka amin’ity volana febroary ity hatramin’ny volana novambra 2023, mialohan’ny hiatrehana ny fivoriambe ny volana desambra 2023. Ankoatra ireo fifaninanam-pirenena tsy maintsy tontosaina isan-taona, hiverina indray ny fifaninanana Alley Hoop, hisy maromaro koa ny fifaninanana ho an’ny basikety lalaovin’olona telo. Mahakasika ireo fifaninanana nasionaly, mbola tsy fantatra ny hanatanterahana ny fifaninanana ho an’ny U14 , U16 ary ny U18, raha toa ka eto Antananarivo toy ny tamin’ny taon-dasa ihany ny hanaoavana ny sokajy U12 (20-23 jolay). Ho an’ ny sokajy N1A lehilahy kosa, nozaraina ho “zone centre” sy “zone ouest”, ny fifaninanana, ka any Vakinankaratra no hatao ny “zone centre”, miaraka amin’ny dingana voalohan’ny N1A vehivavy (15-23 avrily) ary any Boeny kosa ny “zone ouest” (6-14 mey). Handray ny Elites 8 N1B vehivavy sy U20 lehilahy ihany koa ny ligin’i Boeny (9-17 septambra), raha toa ka any Menabe ny N1B lehilahy no hatao (10-18 jiona). Eo amin’ny sokajy Vétéran kosa, any Alaotra Mangoro ny hanaovana ny fifaninanana amin’ity taona ity (9-17 septambra).
Mi.Raz