“Mangataka ny filoha Rajoelina Andry mba hilatsaka hofidina ho filoham-pirenena indray amin’ny fifidianana ho avy izao. Hitohizan’ ireo asa fampandrosoana maro sosona, efa natomboka. Manamafy koa izahay ny fahavononana sy fandresen-dahatra amin’ny fanohanana anao”, hoy ny sekretera jeneralin’ny Betsi-Groupe, Randrianasolo Tsila, tetsy Mahamasina, omaly. Niantso ireo fikambanana hafa, mitovy hevitra amin’izy ireo koa ity vondrona ity mba hanatevin-daharana amin’izany. Notsiahivin’ny Betsi-Groupe fa maro ireo asa vitan’izao fanjakana izao. Anisany ny haitarika sy ny fananana vina sy ireo fotodrafitrasa. “Saro-piaro amin’izany ezaka efa vita izany izahay”, hoy izy ireo.
Momba ny fifidianana, manentana ny rehetra hisoratra anarana anaty lisi-pifidianana izy ireo ary efa nidina ifotony teny anivon’ireo distrika any amin’iny faritra iny, tamin’izany.
Tsy manaiky fanakorontanana politika
Etsy andaniny, tsy manaiky ny fanakorontanana politika koa izy ireo. Tokony havela hiasa malalaka ny mpitondra ho amin’ny fampandrosoana ary aleo ny vahoaka no hitsara izany amin’ny fifidianana, araka ny fanambarana. “Manao antso avo izahay, indrindra fa isika betsileo mba hifanome tanana amin’ny mpitondra ary hihevitra ny tokony hampandrosoana ny firenentsika”, hoy ihany izy ireo.
Na izany aza, niantso ny filoha Rajoelina Andry izy ireo hijery manokana ny vahoakan’i Fianarantsoa, indrindra amin’reo asa goavana miandry ka hijerena ny sosialim-bahoaka.
Tsiahivina fa mankalaza ny faha-10 taona nijoroany ny Betsi-Groupe. Betsaka ny hetsika hatao amin’izany. Eo ny hanamafisina ny sosialy sy ny koltoraly mba hisian’ny fifanampiana sy fifanomezan-tanana ho an’ny mpiara-belona.
Synèse R.