Iza izy ?
Rabenandrasana Solofonjanahary Mamy Rolland, ben’ny Tanànan’ny kaominina Mahereza, Ambohidratrimo. 34 taona ary manambady sy zanaka mirahalahy. Anisan’ny ankafiziny ny sakafo, toy ny ravintoto sy henan-kisoa. Manao ny haiady, toy ny taekwondo sy karaté ary ny lomano koa izy. Mpankafy ny tarika Mahaleo sy Erick Manana ary ny bagasy na koa hira ara-pilazantsara. Tia miala voly miaraka amin’ny vady aman-janaka mijery ny hakanton’ny tontolo ambanivohitra sy ny tontolo iainana.
Nianatra momba ny lalàna sy ny “informatique” teo anivon’ny anjerimanontolo. Niasa teo amin’ny sehatry ny “logistique” sy “construction”, avy eo. Niditra tamin’ny fandraharahana rehefa resy lahatra fa mila famoronana asa ny fampandrosoana ny tanora.
Anisan’ny nanamarika ny fiainany ny maha ray ka mampiova olona amin’ny lafiny rehetra. “Adidy mavesatra ny raisin’ny raim-pianakaviana amin’ny fampivoarana ny ankohonana. Antony hanokanako ny fotoanako malalaka ho azy ireo rehefa tsy miasa izany”, hoy izy.
Tanora sy ny zokiolona ary ny kilonga
Ankoatra izany, maro ireo nangataka ny hirotsahany ben’ny Tanàna na vao 30 taona monja aza ary zandriny indrindra amin’ireo ben’ny Tanàna aty amin’ny distrikan’Ambohidratrimo, tamin’izany. Lany tamin’ny isam-bato, 72% tamin’izany. “Efa faniriako hatry ny fony kely ny ho ben’ny Tanàna. Ny raibenay koa efa “Mpiadidy” tamin’ny andron’ny fanjanahantany. Misehatra politika koa ny ankamaroan’ny fianakaviana”, hoy izy.
Fikambanana nidirany ny “Rotary international”. Naharesy lahatra azy ny foto-kevitra ho amin’ny fanasoavana ny mpiara-belona.
Anisan’ny zava-bitany eo anivon’ny kaominina ny fametrahana fotodrafitrasa ka nanamboarana ny “poste fixe de la gendarmerie” sy ny tranon’ny mpiasan’ny fahasalamana. Ny fanamboaran-dalana vonjimaika natao tamin’ireo tena ratsy mba ahafahan’ny vokatra mivezivezy. Natao laharam-pahamehana ny fanohanana ireo zokiolona sy marefo. Eo koa ny tetikasa ho an’ireo kilonga madinika mba hamporisihana azy ireo amin’ny fianarana. Ny fanampiana ireo tanora, toy ny fanomezana “Maillots” sy baolina…
Tsy ho maizina am-pototry ny mazava
Na izany aza, anisan’ny olana sedrain’ny kaominina ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa, toy ny sekoly sy ny toeram-pitsaboana manara-penitra, ny haratsian’ny lalana…
Asa goavana miandry ny fanamboaran-dalana. Eo koa ny fanajariana lakandrano sy ny lemaka “Andromba”, ahitana velarana manodidina ny 200 ha, miantoka ny fiveloman’ny tantsaha.
Miantso ny fanjakana sy ireo mpiara-miombon’antoka hanome tanana ny any Mahereza amin’ny asa fampandrosoana ny tenany. Miandrandra koa mba tsy ho maizina am-pototry ny mazava, amin’ny fandalovan’ireo “Pylone”, miainga amin’ny toby famokarana herinaratra ao Farahantsana, Mahitsy.
Nangonin’i Synèse R.