Seranam-piaramanidina Ivato: nidoboka am-ponja ireo mpibata entana roa lahy

Tsy fantatra mazava raha toa ka lonilonin’ny namany na vokatry ny halatra nataony, roa lahy indray nigadra noho ny halatr’entana tetsy Ivato.

Niakatra fampanoavana, nidoboka am-ponja vonjimaika avokoa ireo roa lahy voasaringotra tamina fangalaran’entana mpandeha iray teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, omaly. Na­nao fitarainana teo anivon’ny zandary ao Ivato ny mpandeha iray fa tsy hita ny entany tao amin’ny “bagage en soute” tamin’ny fotoana nahatongavany. Nahatsikaritra taratasy fahazoana mamily fiara sy “badge” teo amin’io toerana io anefa ity very entana ity. Tetsy ankilany, tsy nanaiky ny fahavoazan’ny mpandehany ny kaompaniam-pitanterana iray tao amin’ny seranam-piaramanidina ka na­metraka fitoriana tamin’ny zandary. Nanao ny fikarohana taorian’io ireto farany. Tsy niandry ela, voasambotra ny roa lahy nangalatra ny entana. Mbola sarona teny amin’izy ireo ny entana halatra saika hangalariny. Niroso tamin’ny fanadihadiana ny zandary ka natolotra ny fampanoavana izy roa lahy ireo. Naiditra am-ponja vonjimaika.
Vadin’asa…

Misy efa miasa amina orinasa hafa saingy manararaotra ny ora kely ananany amin’ny atoandro hitadiavam-bola ny sasantsasany amin’ireo mpibata entana ivelany ho an’ny ao Ivato. Mi­andry ny fifaliam-po omen’ireo mpandeha, araka izany, izy ireo amin’ny valin-kasasarany. Misy amin’ireo olona sasany manararaotra ary mikasa hevi-dratsy. Tsy lasa lavitra izany satria tratra toa azy mirahalahy ireto hatrany.

J.C

Partager sur: