Tsy misy rano! Mitaky ny hamerenana ny famatsiana rano amin’ny ara-dalàna ireo mpianatra. Efa nisy ny vahaolana naroson’ny jirama sy ny CrouA manoloana izany.
Nitokona sy nanao fanakan-dalana ary nilanja sora-baventy, “banderole”, ireo mpianatra teny Ankatso II, omaly. Nitaky ny hamerenana ny famatsian-drano eny an-toerana izy ireo. Efa tapaka an-taonany maro ny rano raha ny nambaran’izy ireo tamin’ny mpanao gazety. Efa nitaraina sy nametraka taratasy teo anatrehan’ny tompon’andraikitry ny CrouA sy ny jirama izy ireo tao anatin’ny 5 volana lasa. “Tsy mbola nahitam-bahaolana izany hatreto ka antony nanaovana ny hetsika” hoy izy ireo. “Manoloana ny tsy fisian-drano eny an-toerana, mahatratra 1000 – 1500 Ariary ny iray zerikanina, “bidon”, satria tsy maintsy manakarama olon-kafa hatsaka rano” hoy i Mystère, solon-tenan’ireo mpianatra. Nambarany fa miteraka olana samihafa anefa izany. Toy ny tsy fandriampahalemana, tsy fahasalaman’ny mpianatra ary mety hiteraka korontana eo amin’ny samy mpianatra. Mangataka mba omena fantsona vaovao amin’ny famatsiana rano ireo mpianatra nitokona. “Mba hisitrihana rano fisotro madio toy ny olona rehetra” hoy hatrany ny fanazavana. Nilaza izy ireo fa tsy hitsahatra ny hetsika raha tsy voavaha ny olana.
Vahaolana vonjimaika
Manoloana io hetsika io, tonga teny an-toerana avy hatrany ny CrouA (fitaleavana misahana ny sosialin’ny mpianatra eny amin’ny Anjerimanontolo) sy ny Jirama ary ny ministeran’ny Rano, ny fidiovana sy fanadiovana. “Maro ny olana mahatonga ny tsy fahampiana sy ny fahatapahan-drano eny an-toerana” hoy ny talen’ny jirama, Rakoto Andry Nirina. Eo ny fahanteran’ny fantsona eny an-toerana sy ny fanorenana trano tsy ara-dalàna raha ny fanazavana hatrany. Vahaolana vonjimaika nataon’ny jirama sy ny CrouA ny hahafahana mitsinjara ny rano eny an-toerana. “Havaozina ireo fantsona tranainy, hampiana ny isan’ny fantsona vaovao mba hamahana ny olana” hoy hatrany izy. “Entanina ny rehetra mba ho sarotiny amin’ny fanorenana trano tsy ara-dalàna” hoy ny talen’ny CrouA, Mamisoa Aina.
Mino (mpianatra asa)