Tsy matoritory intsony ireo Nosy rahavavy, hiatrika ny lalaon’ny Nosy, hotontosaina afaka enim-bolana eto Madagasikara fa tena efa anaty fanomanana tanteraka. Nigadona tetsy amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, omaly, ny ekipan’i Mayotte, taranja basikety. Hitsapa ny Cospn sy ny GNBC ny anton-dian’izy ireo, araka ny fantatra ka hiatrika lalao maromaro ho fanomanana ny lalaon’ny Nosy. Haharitra herinandro mahery eto Madagasikara ny delegasiona Mahorais, araka ny loharanom-baovao ary mety hifandona amin’ny ekipa nasionaly Seniors ihany koa, raha ny fandaharam-potoanany.
Soa fianatra!
Soa fianatra ho antsika Malagasy izao fahavonona nasehon’ny Nosy rahavavy izao, izay tena mandray ho matotra ny lalaon’ny Nosy hatao eto Madagasikara. Antenaina fa mandray lesona ny tomponandraikitra ka hihevitra amin’izay ny fandaminana ny fampivondronana sy ny fanomanana ireo atleta malagasy. Efa vaovao mahafaly izao ny nahare fa efa milamina ny taratasin’ireo hihazo an’i Chine ary efa fantatra avokoa ireo atleta hiatrika izany fiofanana izany. Aiza ho aiza kosa ny fampivondronana sy fanomanana ho an’ny taranja tsy voakasiky ny fandehanana any ivelany?
Mi.Raz