Mbola manana fanantenana fa tsy mody tanam-polo ny Barea amin’ity fifaninanana “Chan Algérie 2022” ity. Hifanandrina amin’i Niger haka ny medaly alimo ry zalahy, anio, any Oran.
Hotanterahina anio ny lalao fiadiana ny medaly alimo, laharana fahatelo, amin’ny fifaninanana “Chan Algérie 2022” taranja baolina kitra. Hikatroka amin’izany ny Barean’i Madagasikara sy ny Le Ména du Niger. Fihaonana hotanterahina anio amin’ny 10 ora alina, ora eto Madagasikara, any amin’ny kianjan’i Oran.
Tsiahivina fa resin’i Sénégal tamin’ny isa 1 no ho 0 ny Barea teo amin’ny lalao manasa-dalana, ny talata lasa teo tany Baraki. Nomontsanin’i Algérie tamin’ny isa mavesatra 5 no ho 0 kosa i Niger, io andro io ihany. Hafana tanteraka, araka izany, ity fihaonana ity, samy tsy hanaiky ny hody amin-tanam-polo ny roa tonta. Raha hiverenana ny fihaonana farany, nisaraka ady sahala 0 no ho 0 ny Malagasy sy i Niger. Lalao ara-pirahalahiana izay natao tany Tonizia, ny 9 janoary 2023, nentina nanomana ity “Chan Algérie 2022” ity. Nilaza moa ny mpanazatran’ny Barea, Rakotondrabe Romuald Felix na i Rôrô fa hiezaka ny handresy ary hamelona indray ny fanantenan’ny mpankafy baolina kitra malagasy. “ Efa tsy andrinay intsony ity lalao ity, ary isan’ireo lalao tena goavana ny miandry anay rahampitso satria tsy hanaiky ho resy koa i Niger” hoy ihany i Rôrô nanamafy. Natsidiny ihany koa fa hanana endri-dalao ho toy ny lalao famaranana kely ity fihaonan’ny Barea sy i Niger ity. “Hiezaka izahay ny hanome ny tsara indrindra avy aty aminay, mba hazahoana fandresena ho an’ny Malagasy rehetra”, hoy kosa i Tantely, kapitenin’ny Barea Chan.
Marihina fa tsara ny dingana vitan’ny Barea tamin’ity fandraisany anjara voalohany amin’ny Chan ity. Antony, sambany teo amin’ny tantaran’ny baolina kitra malagasy, ny Barea no tafakatra amin’izany lalao manasa-dalan’ny Chan izany.
Fitia (Mpianatra asa)