Manatanteraka hetsika ara-pahasalamana maimaimpoana ny CUA miaraka amin’ny SMA sy ny SMEV nanomboka omaly ary mitohy anio. Nisantatra ny hetsika fizaham-pahasalamana omaly, teny Ampasampito, ireo mpiasan’ny SMA sy ny SMEV ombam-bady aman-janaka. Nahafahana nanao fitiliana ny diabeta, tosidra, fizahana maso, fandanjana sy fanomezana torohevitra ny reny sy ny zaza. Nisy ny fanomezana fanafody sahaza sy mifandraika amin’ny aretina. Nidina ifotony teny Ampasampito, izay misy ny birao fiasan’ny SMA sy ny SMEV, ireo ekipan’ny DASS sy ireo mpiara-miasa aminy nanatanteraka ny hetsika.
Hitohy eny Anjanahary anio ny hetsika ara-pahasalamana manakaiky vahoaka, hanentanana ny mponina rehetra eny amin’ny manodidina. Tafiditra tanteraka ao anatin’ny Veliranon’Iarivo ny fanatsarana ny fari-piainan’ny mponina, indrindra fa ny resaka fahasalamana sy sosialy. Nisy ny fotoana nandalovan’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina, teny amin’ny SMA ka nihainoany ny fitarainan’izy ireo. Tamin’izany no nampanantenany ireo mpiara-miasa tao fa hanatanteraka hetsika ara-pahasalamana manokana maimaimpoana ho azy ireo sy ny vady aman-janany ny CUA.
Tatiana A