Ravan’ny zandarimaria ao Ambatolampy ny fikambanan-jiolahy saika hanao fanafihana mitam-piadina tao
an-toerana. Ny talata teo tokony ho tamin’ny 08ora alina, nahazo antso ny mpitandro filaminana fa misy olona mampiahiahy ao amin’ny fokontany Ambodiriana. Teo no ho eo ihany, nidina ifotony nijery ny zava-nisy ny zandary. Vokany, tratra teo am-panomanana ny teti-dratsy ireo telo lahy sy vehivavy iray. Fantatra fa saika hanafika tokantranon’olona ao amin’ny fokontany Andohafarihy izy ireo. Efa voaomana ny rehetra ary heverina fa hamono olona noho ireto andian-jiolahy nirongo fitaovam-piadina. Tratra teny amin’izy efatra ny basy vita gasy iray miaraka amin’ny bala miisa telo. Antsy be miisa roa, vy maranitra iray, zanaka lakile marobe.
Teo koa ny ody gasy, fanilo (lampe de poche) efatra, akanjo tamina gony lehibe iray entina misolosolo. Etsy ankilany, karohina fatratra amin’ity raharaha ity ny roa lahy tomponantoka sy nikotrika ity asa ratsy ity. Fantatra “avy any amin’ny kaominina, Tsiafajavona, Ankaratra sy Sabotsy Namatoana ireto jiolahy ireto”, hoy ny zandary. Hatolotra ny fitsarana ny raharaha aorian’ny fanadihadiana.
Henintsoa H.