Amin’izao fiatrehana fifidianana filohan’ny Repoblika izao, tsy misy tsy manaiky sy miteny hoe ilaina ny filaminana sy ny fitoniana. Na izany aza, tsy ilaozan’ny mikorontana an-toerana na minia manakorontana. Mba ho tanteraka ny fambolena fanahiana sy tahotra ny mety hisian’ny krizy aloha na mandritra na aorian’ny fifidianana? Misy hatrany fanelezana tsaho, roritina hiteraka adihevitra hifandirana izay mitranga rehetra… Ny eo anivon’ny fitondrana na ny mpiara-dia sy mpomba azy avy no misy tratran’izany? Ao ny mifampila handitra, mifanao antsojay, mifampihantsy… Tandindomin’ny fifidianana? Na tonga ny tsotsorimamba hisarahana amin’ny samy maka ho azy…
Miseholany ohatra, ny tsy fifankahazoana eo amin’ny olom-boatendry sy olom-boafidy sasany. Tonga hatramin’ny fitakiana fanalana na fanoloana izany. Hatramin’ny nisian’ny fikasan’ny depiote sasany nanangon-tsonia hahazoana manao latsa-bato fitsipaham-pitokisana ny governemanta no nahavaky bantsilana ny raharaha? Misy tonga any anivon’ny faritra. Fanakorontanana na fanozongozonana fitondram-panjakana tsy ho marin-toerana no dika politika nijeren’ny Praiminisitra ny fikasan’ny Antenimierampirenena hanao fitsapam-pitokisana ny governemanta.
Efa fiatrehana ny fifidianana izao…
Hanao ahoana àry ny fahamarinan-toeran’ny fitondram-panjakana amin’izao fiatrehana ny fifidianana izao? Na ahoana na ahoana, ady fiadin’ny mpanohitra ny manao ny hahazoana ny fahefana. Ao anatin’izany ny fandemena? Na fanakiviana, fampitahorana, famendrofendroana… Tonga amina fanakorontanana aza ny sasany. Misy olom-boafidy tonga amin’izany na mahavatra manao izany amin’ny olom-boatendry sasany; na mpiray donak’afo na mpifanila tokotany izao aza.
Tsy tokony hiainga eo anivon’ny fitondram-panjakana ve ny ho filaminana sy fitoniana hiatrehana ny fifidianana? Ao anatin’izany ny mpiara-dia, ny mpanohana, ny mpomba… Tsy lavina, tena misy ny lesoka mila arenina. Ndeha hosasana ety ivelany ve ny lamba maloto fa tsy azo ifandaminana ao an-trano? Na misy ny tsy takona afenina intsony, tsy azo leferina, mila vakina bantsilana… Mety ho endriky ny fiatrehana ny fifidianana ho avy izany rehetra izany, rehefa tonga tokoa ny tokoa?
R. Nd.