Laharana fahefatra ny ekipa malagasy nandritra ny « International Catering Cup », izay notontosaina tany Frantsa. « Marina fa nanantena ny hiakatra podium, saingy sahiko ny miteny fa tsy nitsanga-menatra isika satria tena nanome ny farafahaizany ny ekipa. Midera azy roa vavy aho, fa tsy moramora ny nifanandrina tamin’ireo mpifaninana izay tena efa voky traikefa maneran-tany. Nanome ny tsara indrindra izy roa ary nanaraka tsara ny torohevitra… ». Io ny nambaran’i Chef Lalaina tamin’ny mpanao gazety omaly, tetsy amin’ny Le Marais Restau-rant. Izy no « coach » nitondra ny ekipam-pirenana malagasy niatrika ity fifaninana iraisam-pirenena momba ny hainahandro sy ny “ traiteur” ity.
« Nahafaly anay ny vokatra na laharana fahefatra aza. Faly fa nisolo tena an’i Madagasikara ary faly fa nilahatra tamin’ireo efa kalaza. Isaoranay ny coach izany », hoy ny nambaran’i Cheffe Fenosoa, lehiben’ ny ekipa. Nanamafy ny nambarany i Cheffe Bodo. « Misy ny lesona hotsoahina hanatsarana hatrany ny manaraka », hoy izy.
Raha todihana kely, aninsan’ny ekipa natahoran’ireo mpifaninana ny solontenan’i Madagasikara. “Nahay nandanjalanja tsara ny fotoana izy roa. Tsy mba nikoropaka kanefa tao anaty lera tsara. Anisan’ny tena sarotra indrindra amin’ity fifaninanana ity mantsy io fitsinjarana fotoana io, satria amin’ny maha fifaninanana “traiteur” azy, amin’ ny toeran-kafa ny fandrahoana ary hafa kosa ny fihinanana. Misy ny omanina iray andro mialoha, izay mety hiverenena rahampitso, kanefa raha diso kely fotsiny ny endri-pahamasahany dia efa tsy mety”, hoy hatrany i Chef Lalaina.
Zo ny Aina