Nisy ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety natao teny amin’ny Institut Français de Madagascar na IFM Analakely, ny Alakamisy 2 febroary 2023. Nampahafantarina tamin’izany fa mandritra ny telo herinandro, manomboka ny 7 febroary 2023 hatramin’ny 25 febroary 2023, ny fampirantiana tabilao, mirakitra ny asa tanan’i Guy Pradel. Mitondra ny lohateny hoe “Sacramental” ity hetsika ity. Hasongadina amin’izany lohahevitra izany ny fanantenana sy ny zava-misy marina eo amin’ny tontolon’ ny zava-masina. Teratany frantsay, manana fahaizana manokana momba ny fanaovana hosodoko ity hanatanteraka fampirantiana eto Madagasikara ity. “Ireo harena voajanahary misy eto Madagasikara no nahazoko aingam-panahy, nahafahako nanatontosa ireny asa tanako ireny. Efa hatramin’ny nahatongavako teto ny taona 1998”, hoy ity mpahay sary hosodoko Frantsay ity. Isany mbola tsy ahafoizany an’i Madagasikara hatramin’ izao sy anton’ny varotra fampirantiana izany. Malaza ary manana ny maha izy azy ao Eoropa, indrindra ao Frantsa, sy eto amin’ ny ranomasimbe Indianina i Guy Pradel. “Na inona na inona endrika, fomba, foto-kevitra, fitaovana nofidina, ny fanehoana ara-javakanto dia manana hevitra masina foana ao amin’ny atiny matanjaka”, hoy i Guy Pradel.
Lin (Mpianatra asa)