Mila ahitsy ny fandaharam-pianarana sy ny fanabeazana: tsy mahay miteny sy manoratra teny malagasy ny Malagasy

Tsy honohono fa tranga iaraha-mahita eny anivon’ny fiarahamonina. Malagasy tsy mahay miteny na manonona ny teniny. Malagasy tsy mahay manoratra ny teny malagasy. Taiza ny lesoka ? Tsy alefa lavitra akory ny fanadihadiana dia efa hita miharihary ny lesoka. Ny fandaharam-pianarana sy ny fanabeazana. Fanarenana goavana no miandry azy ireo. Tsy tokony hiandry ela fa mila atomboka avy hatrany.

12 taona (Taona 1 ka hatramin’ny Taona faha-12), mianatra na ampianarina manoratra sy mamaky ny teny malagasy any an-tsekoly ny zaza malagasy. Azony ny mari-pahaizana bakalorea, tsy mbola mahay manoratra ny teny malagasy ihany izy ireo. Ny misionera vahiny tonga eto Madagasikara anefa mianatra 8 katramin’ny 24 volana any Ambositra, avy eo, sady mahay mi­teny malagasy no mahay manoratra ihany koa. Porofo akaiky io fa misy tokony hahitsy ny fan­daharam-pianarana eto Madagasikara. Politikam-panabeazana napetraky ny mpanjakazaka an-tanin’ olona io fanamaivanana ny tenin-drazana any an-tsekoly io. Taty aorian’ny taona 1975, vao mainka nahery vaika izany satria nomeny anarana vaovao ka roboka tsy satry ny Mala­gasy. « Fanagasiana », hono !
Mandritra io 12 taona io, safosafoina fotsiny ny zavatra ianarana ao anatin’ ny taranja malagasy. Fitsipi-pitenenana, fomba, sns, zara raha halalan’ny mpianatra fa : « alatsaka ny [-ka] [-tra] [-na] (farany) rehefa hanakambana teny », « mi­tatao vovonana ny amin’ny 12 ora antoandro » … Na ireo kely ananan’ny mpianatra ireo aza, mbola tena tsy hainy ihany satria tamin’ ny fomba (ora tsy ampy, mpampianatra tsy tonga…) maivana dia maivana ny nahazoany azy.
Tsy mifanalavitra amin’ io tranga io ny mahazo ny tontolon’ny fanabeazana eto Madagasikara. Ny soratra hitan’ny mason’ny zaza sy ny ankizy ary ny tanora, eny rehetra eny, amin’ny teny vahiny ny ankama­roany. Tahaka izany koa ny henon’ny sofiny amin’ireo dokam-barotra isan-kara­zany. Manampy trotraka, ireo ray aman-dreny tsy miteny ny teny malagasy fa manindraindra ny teny va­hiny raha vao miposaka ny ma­soandro. Ny taratasy kirakiraina any amina sehatra samy hafa, saika mbola amin’ny teny frantsay ny ankamaroany.

Sady tsy hay no tsy ampiasaina… Hanjavona tsy ho ela ny teny malagasy

Fototra iray maha firenena ny firenena ny teny. Ny Malagasy, sady tsy mahay no tsy tia mampiasa ny teniny. Hanjavona tsy ho ela ny teny malagasy satria manomboka mahazo vahana rahateo ny fampiasana ny teny vahiny (eo amin’ny fanabeazana sy ny fampianarana) sy ny fanilihina ny tenin-drazana. Raha tsy miverina amin’ny fampiasana sy fiainana ny teny malagasy ny Malagasy tom­pony, ho potika hatramin’ny firenena iray manontolo.
Tranga tsy tokony hisy eo amin’ny fampianarana ny hoe, taranaka Malagasy ka volavolaina sy ampianarina amin’ny fiteny vahiny. Tsy lamina voajanahary izany fa tetikady hampidiran’ny vahiny sy ny forongony an’i Madagasikara sy ny Malagasy ho ao anatin’ ny fanjanahan-tany amin’ ny endriny « mihaja ». Ny Sinoa ampianarina sy beazina amin’ny teny sinoa. Ny Koreana, ampianarina sy beazina amin’ny teny koreana. Ny Anglisy am­pianarina sy beazina amin’ ny teny anglisy… Fa maninona ny Malagasy no beazina sy ampianarina amin’ ny teny vahiny ? Tsy ny « fanagasiana » sy izay mitovy lasitra aminy no maha maika fa ny fampiasana ny teny malagasy ho teny hoenti-mampianatra sy manabe ny taranaka ma­lagasy. Miainga any amin’ ny ambaratonga fototra, hatrany amin’ny ambaratonga ambony. Manom­boka any amin’ny ankohonana mipaka eo amin’ny fiarahamonina sy ny fitantanana isan’ambaratonga, sns. Mitaky fandavan-tena sy fahasahiana mandray andraikitra anefa ny fanatanterahina izany !

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: